Actualités

Fikojakojana ny RN44 Ifarimbonan’ny fanjakana sy ny tsy miankina


  • Alarobia 06 Mey 2015

Mitentina 200 tapitrisa Ariary ny asa hotanterahana ao amin’ny lalam-pirenena faha-44, izay manomboka ao Vohidiala hatrany Andranokobaka. Tafiditra ao anatin’izany ireo toerana tena nampitaraina ny mpitatitra nandritra ny vanim-potoanan’ny fahavaratra.

  Ny orinasa EGECA no hamita ny asa ao anatin’ny iray volana. Ho fiandrasana ny fanaovana tara ny lalam-pirenena faha-44 dia natao aloha io lalantany io. Mifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany asa fikojakojana izany ny zanaky ny faritra sy ireo rehetra mahatsapa fa ilaina ny fanatsarana ny RN44. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy folakandro teo ny asa ka ny lehiben’ny faritra Ranaivonirina Jean Yves mihitsy no nijery ifotony izany. Nanambara ny orinasa izay manatanteraka ny asa fa raha voahaja tsara ny lanja afaka mandeha amin’izany lalana izany dia hateza sy haharitra ilay lalana aorian’ny fahavitany. Fanirian’ny rehetra ny hamitana ho godorao io lalam-pirenena faha 44 io aorian’ity asa fikojakojana izay atao ankehitriny ity.

Niry A


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT