Actualités

Fikirakirana teknolojia Fetsy ratsy i Tatandraza, hoy ny zandary


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Tsy dia sarotra ho an’ny mpitandro ny filaminana intsony ny fikarohana ireo olona manao ratsy sy mandika lalàna amin’ny tambajotra “facebook”.

 

 Efa maro no voasambotra tamin’io resaka io. Ny filoham-pirenena rahateo efa nilaza tamin’ny 5 janoary lasa teo fa tsy hisy intsony ny fangala-piery elabe eo amin’ireo mpanao ratsy sy ny mpitandro ny filaminana. Nampametra-panontaniana ny maro kosa ny momba an’i Marc Tatandraza, izay nokarohina hatramin’ny ela, ary mahavita mandefa zavatra hafafaha sy fanadalana saim-bahoaka, saingy tsy tratra hatramin’izao. Ny resaka fandikan-dalàna anaty “facebook” dia efa manao fikarohana ny mpitandro ny filaminana, hoy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Ny maha samihafa ireo olon-tsotra manao heloka amin’ny fesiboky sy i Marc Tatandraza, dia iretsy voalohany tsy mihevitra ny hitsoaka ary raisim-potsiny ao an-tranony satria mihevitra ny tsy ho tratra sy tsy ho hita. I Marc Tatandraza kosa efa mailo sy mahafantatra tsara an’izay. Raha fantatra fa amina toerana iray amin’ny alalan’ny fikarohana amin’ny teknolojia izy anio, tsy hita ao intsony rehefa karohina. Ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra no tena ampiasain’ny zandarimaria. Tsy resaka endrikendrika io fa noho ny fangatahana fiaraha-miasa tamin’ny olona ihany koa no efa nahazoana ireo namany 6, izay efa nidoboka any am-ponja, ka ny 2 tena akaiky azy ary 4 kosa nosokajiana ho mpampiantrano olon-dratsy. Tsy ny resaka finoany loatra no hanenjehana azy fa ny resaka fisolokiana, fitazonana olona an-keriny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT