Actualités

Fikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana Ampiasaina ny rindram-baiko DHIS2


  • Talata 24 Aprily 2018

Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano ilay rindrambaiko (logiciel) ikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana DHIS2 (District Health Information Software).

Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fomba fiasa amin’ny sehatry ny fahasalamana.  Arak’izany dia atao nomerika sy hokirakiraina amin’ny informatika amin’ny alalan’ny fampiasana internet ireo vaovao ara- pahasalamana rehetra. Miainga amin’ ny tatitra rehetra avy any amin’ny (Centre de Santé de Base) CSBII ka hatrany amin’ny CHU (Centre Hospitalier Universitaire). Tsiahivina fa mampiasa boky maro be ary mameno amin’ny tanana ny mpiasan’ny fahasalamana rehefa manao ny tatitra isam-bolana sy ny fampitam-baovao tokony atao.  Mandreraka no sady be loatra ny boky alefa ary tena mandany fotoana izany. Ankoatran’ny tombony ara-potoana azo dia mora ny fikirakirana ary afaka atao amin’ny ireny tablette na Smart phone ireny ilay rindrambaiko. Ary ny tena lehibe indrindra dia ny fananana ny tahirin-kevitra sy ny tarehimarika rehetra (base de données) manerana an’i Madagasikara. Afaka mijery ny vaovao sy ny tokony ho fantatra rehetra ary manapa-kevitra avy hatrany ny mpiasan’ny fahasalamana amina tranga misy any amin’ny  toerana izay misy azy. Amin’izao fanombohana izao dia faritra roa aloha no atao filamatra (pilote) mandritra ny telo  volana ka anisan’izany ny faritr’i Vakinankaratra sy Sofia.  Rehefa izay dia distrika 14 avy amin’ireo no hisitraka ny fampiasana DHIS2 ary aorian’izay vao haparitaka manerana ny nosy.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT