Actualités

Fikasana handrava ny OMDA Saropiaro ireo mpamorona mpikambana ao


  • Talata 23 Novambra 2010

Miteraka fizarazaran-kevitra eo amin’ny mpanakanto malagasy ny fanambarana nataon’ny mpanakanto vitsivitsy notarihin-dry Gege Rasamoely ny faran’ny herinandro lasa teo izay nilaza fa omena 72 ora ny Tale jeneralin’ny OMDA (ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona) mba hametra-pialana sy nangataka ny handravana ny OMDA mihitsy.

Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy misy antony ilana ity rafitra ity izay tsy mahay afa tsy mitsentsitra ny mpanakanto sy tsy mizara araka ny rariny sy hitsiny ny zon’ny mpamorona araka ny asa vitany. Hatairana no nandraisan’ny mpanakanto hafa mpikambana ao amin’ny OMDA io fanambarana io ka nahatonga azy ireo nifamory omaly sy namoaka fanambarana mitsipaka iny voalaza iny ihany koa. «Mahatsiaro tena ho voakasik’iny fanambarana iny izahay mpamorona izay nanangana ny OMDA. Amin’ny maha fototra nanorina ity sampandraharaha ity anay indrindra no antony ijoroanay ka anambaranay fa tsy mahasolo tena ny mpanakanto Malagasy izy ireo ary amin’ny anaran’ny tenany manokana no nitenenan’izy ireo», hoy i Dama.

Nanamafy koa ireto mpanakanto tohina noho ny fanehoan-kevitry ny namany sasany fa tsy nifampierana ilay fanambarana no sady tsy mbola mijoro koa ny rafitra miaro ny zon’ny mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika manome azy alalana hiteny. Saika mpanakanto miasa eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika moa ireo mitaky ny fandravana ny OMDA ireo. Nasia-pitenenana mihitsy aza i Max Exception izay nilaza fa tsy mpamorona ireo nanao fanambarana ka tsy mahazo tombontsoa amin’ny Omda « Misy ireo mpamokatra miasa any anelanelan-trano mandositra ny vola aloa amin’ny famokarana zavakanto », hoy hatrany izy. I Samoela indray dia nanamafy fa tsy afa-po amin’ny asan’ny Omda ny mpanakanto saingy saro-piaro kosa amin’ny rafitra efa mitsangana. Hatramin’izao dia ny Omda no hany rafitra natao hiaro ny zon’ny mpamorona

 
Sary : Misy mitady hanozongozona ny toeran’ny tale jeneralin’ny Omda
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT