Actualités

Fikarohana solika Mikatona i Bemolanga


  • Talata 17 Aogositra 2010

Mangina hatreo indray aloha izany ny amin’ny fikarohana solika ao Bemolanga, distrikan’i Morafenobe. Ny ekipa teknikan’ny EMIP (Entreprise de Maintenance Industrielle et Pétrolière) tonga nanidy ny barikabe fanobiana ireo lohamenaka fanodina solika tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo no mamarana tanteraka ny asa any sy manakatona ny toeram-pikarohana solika ihany koa, raha efa ho iray volana kosa ny ankamaroan’ny mpiasa tao no naparitaka, lasa any Tsimiroro, ankoatra ny naato tanteraka. Araka ny fantatra dia 20 lahy eo sisa miambin-tanàna.

Ny orinasa Total no manao asa fikarohana solika amin’io toerana io, taorian’ny nandraisany ny anjaran’ny Madagascar Oil, nitana ny 60%-n’ny fampiasam-bola tao. Ny volana septambra 2008 nampahafantarana ny fisian’izay fifanarahana izay. Vao nirodana ny fitondrana Ravalomanana ka tafapetraka ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny martsa 2009 dia nihazakazahana ny fanaovana sonia azy io, na dia fantatra aza fa mamono antoka ny fitrandrahana io solika ao Bemolanga io raha dia midangana mihoatra ny 150 dolara ny vidin’ny barila iray. Araka ny fantatra dia roa taona eo no nanaovana fikarohana. Tonga ankehitriny ny fetr’andro, ka dia izao miato izao izany aloha ny asa. Araka ny fanazavana azo avy any an-toerana dia halefa hanaovana fanadihadiana aloha ny loham-bokatra azo tao anatin’izay fotoana izay.

Fa na inona koa aloha filazana, dia mitarika fahaverezan’asa ny fikatonan’i Bemolanga. Toy izany koa ny vola tokony hiditra amin’ny Faritra Melaky sy ny kaominina nisiany. Teo am-piandohana, fony mbola teo ny fitondrana Ravalomanana, dia 10 tapitrisa dolara no vola tokony ho nampiasan’ny orinasa Total teo anivon’ny Faritra, mitsinjara ho 5 tapitrisa dolara alefa amin’ny sehatra sosialy. Efa nisy komity nitsangana tamin’izay. Tsy fantatra ny tohiny rehefa tonga ny FAT. Ny 5 tapitrisa dolara ambiny kosa nalefa tany amin’ny resaka fotodrafitrasa. Misy vita ihany ny amin’io, toy ny lalana mihazo an’i Bemolanga. Mikatona i Bemolanga ankehitriny. Dia mbola manankery hatrany izany ny tononkiran’ny Mahaleo momba an’ity toerana malaza ity manao hoe : “… Rahoviana no hitranga ? Asa angamba atsy ho atsy, no ho tonga i Bemolanga, isika tsy ho lany vatsy …”.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT