Nohatsaraina tanteraka ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy amin’izao fotoana izao taorian’ny fitokonana notanterahin’ireo mpiraki-draharaha.
Nivangongo tanteraka mantsy ireo karazana antontan-taratasy nokarakarain’ny mpanjifa izay tsy maintsy nitadiavam-bahaolana ka voatery miasa tontolo andro ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tsy milahatra be toy ny teo aloha intsony noho izany ny fakana ny casier judiciaire raha tena nampitaraina ny maro fatratra teo aloha. Manodidina ny 350 ka hatramin’ny 400 latsaka isan’andro ny antontan-taratasy no tsy maintsy henjehin’ireo tompon’andraikitra misahana izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Efa mandray antontan-taratasin’ady ihany koa ny Fitsarana etsy Anosy na dia amin’ny andro hariva aza raha araka ny fantatra no sady afaka mamoaka didy ho an’ireo izay manao fangatahana mila izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.