Actualités

Fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena Tsy mbola misy tetibola mazava hatramin’izao ?


  • Zoma 18 Jona 2010

Tsy manana tetibola hiasana hatramin’izao ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena izay hikarakara ilay fikaonandoham-pirenena izay tokony hialoavan’ny fihaonambe sy fakan-kevitra isaky ny distrika.

Araka ny tsiliantsofina re dia tsy mbola eo am-pelatanan’ity vondron’ny fiarahamonim-pirenena ity hatramin’izao ilay vola 600 tapitrisa ariary hikarakarana izany asa rehetra izany. Ny talata teo na farafahatarany ny alarobia no tokony ho nahazoana io vola io, saingy tsy tanteraka izany, araka ny ritsoka re. Azo antoka fa ho sahirana amin’ny fametrahana ireo rafitra hiasa isaky ny distrika araka ny efa fandaharam-potoana ny fiarahamonim-pirenena satria tsy misy ny vola. Mety hitohy hatrany ny fihemorana amin’ity raharaha ity, satria maro ny olana tsy mety voavaha. Raha tsiahivina kely dia efa saika notanterahana tamin’ny 27 mey ity fikaonandoham-pirenena ity, avy eo nahemotra ka nambara fa tsy maintsy vita mialoha ny 26 jona.

Tsy raikitra indray anefa izany, ka raka ny vinavina farany dia mety any amin’ny tapaky ny volana jolay any indray no hanatanterahana azy. Aorian’izay vao atambatra ny hevitra rehetra ary hivoaka ilay volavolan-dalàmpanorenana, tena nahazoana ny hevitry ny maro an’isa manerana ny nosy. Ho sarotra ihany ny hinoana fa ho tanterahana marina ny 12 Aogositra ny fitsapan-kevi-bahoaka ho fandaniana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4. Mbola mila fotoana lavalava ihany mantsy ny fanazavana izay zavatra aroso ny mpifidy eo, ny ankamaroan’ny olona rahateo tsy voatery mahay lalàna. Ny 12 mey moa no nanambara ny sori-dalana neritreretiny hitantanana ny tetezamita i Andry Rajoelina, ka dingana iray tsy maintsy tanterahana voalohany ao anatin’izany ny fikaonandoham-pirenena. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT