Actualités

Fikarakarana fety matihanina kokoa Miverina miasa ny SYNOPS


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Naverina najoro indray ny birao maharitry ny sendikan’ny mpikarakara lanonana SYNOPS mba handrindra sy hanentana ny asa fikarakarana fety eto Madagasikara.

 

 Miisa 47 ireo mpikambana mandrafitra ny fikambanana. Tanjona, hoy ny filoha  Rakotondravaoharisoa Modeste ny hahamatihanina ny fomba fiasan`ireo mpikarakara lanonana sy fijerena ifotony an’ireo tena mpiantsehatra manerana ny nosy ary fanolorana volavolan-dalàna izay atao hiaro ny zon’ireo mpikarakara lanonana. Nahafa-po ny vokatra tamin’ny taon-dasa ho azy ireo na dia nisy aza ny indrokely isan-karazany amin’izany sehatra izany ka mba ahazoan’ny rehetra tombontsoa dia izay indrindra no nahatonga azy ireo hanao fitsipi-dalao ahafahana mitazona ny vokatra. Marihana koa fa firaisan-kina toy izao no heverina fa hampandroso ny tontolon`ny seho an-tsehatra eto Madagasikara. Nampafantarina tamin`ny besinimaro ireo mpikambana mandrafitra an’izany birao maharitra izany, omaly, tetsyAnalakely.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT