Actualités

Fikaonan-doha amin’ny mpampiasa vola Any Johannesbourg anio sy rahampitso


  • Alarobia 14 Jona 2017

Hotanterahina anio 14 jona sy rahampitso any Johannesbourg Afrika Atsimo ny fihaonana sy fikaonan-doha amin’ny mpampiasa vola, karakarain’ny sekretariam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana.

 

 Miara-mientana amin’ny hahatontosan’ity fihaonana ity an-tsakany sy an-davany ihany koa ilay vovonana ara-toekarena EDBM (Economic Development Board of Madagascar). Tsy hay aloha na mba hahazo vola na ho voky fampanantenana tahaka ilay tany Frantsa ny volana desambara amin’ny hoe hahazoana vola hatrany amin’ny 10 miliara dolara ny fanjakana HVM. Vitan’ny filoham-pirenena mihitsy ny nilanjalanja loha sy nandihy tsy afa-tavony ary nirehareha tamin’ny mpanohitra noho ny fitokisan’ny mpamatsy vola. Vaky vava ihany anefa taty aoriana rehefa tsy nipotsaka ilay volabe nantenaina fatratra, ka nilaza fa indraindray dia misy ny filam-boatsiary ataon’ny mpamatsy vola. Nitady lalana tany amin’ny Arabo sy ny sinoa avy eo, saingy tsy fantatra intsony na nahazo na tsia ary tsy mazava intsony ny resaka fifanarahana hafahafa natao tamin’ireny firenena tsy dia mahazatra ireny. Sesilany, ohatra, ny fanomezana tany hotrandrahan’ny sinoa sy ny vahiny isan-karazany. Tsy misy intsony ny lamina mazava fa mandeha ny kitsapatsapa rehetra amin’ny hitadiavam-bola, ka vitan’ny HVM mihitsy ny milela-paladia etsy sy eroa. Amin’ny ankapobeny dia tsy dia atokisan’ny firenena matanjaka ny mpitondra noho ny resaka kolikoly sy tsy fahaiza-mitantana, ka zary tsapatsapaina avokoa ny zava-drehetra sao mba mahazo vola ihany e !

 


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT