Dia raikitra indray ry Jean ny sakoroka teto amin’ny tanana omaly. Sakoroka azo nialana anefa. Nahoana hoy Jean ? Inona anefa ny olanareo ry Jean raha navela haneho hevitra fotsiny ny olona any amin’izay toerana tiany hanehoana izany heviny izany. Tena tsy azoko mihitsy. Moa tsy toa izany ihany ve no nanomezanareo tsiny an’i Dada nefa ianareo izao manoatra lavitra noho izy, avo 10 heny. Aiza dia samy olon-dehibe izao, dia hoe ovaina indray ny anaran’ilay kianja nahatongavanareo teo amin’ny fanjakana. Ankoatra izay, omena ny kianja androany, rahampitso indray hamoronana ity rehetra ity fa hoe tsy azo omena indray. Dia inona indray izao no ho lazainareo? Tsy maintsy hoe ny hafa ihany no diso aminareo, sanatria aminareo ny mba hihaiky sy handini-tena. Ny hafa foana ny tompon’andraikitra. Ireto lazaina fa mpitandron’ny filaminana, lasa manakorontana fotsiny no tena asany, ny Jirama ery Ambohipo nisy nanafika, ny dahalo any ambanivohitra mirongatra… aiza izay mba hitandro ny filaminana? Naleony mifanenjika amim-behivavy na misambotra . Fikan’antitra, hoy ny tanora ry Jean a ! Filma efa nandeha ka efa zatra-ady ny rehetra. Amin’izao mety milamina ihany, nefa karazan’ny afo mololo io an ! rehefa tena midedaka tsy ho tana intsony dia eo ianareo no raisina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.