Manoloana ny fanapahan-kevitra samirery noraisain’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana (MCRI) hanangana vaomiera miandraikitra ny fanomezana karatra ho an’ny mpanao gazety,
dia nanao fanambarana miendrika tsy fankasitrahana izany ny fikambanan’ny mpanao gazety Zokiolona na ny CJD. Solontenan’ny minisitra sy solontenan’ny mpanao gazety ary solontenan’ny tompon-gazety no mandrafitra io raha araka ny vaofaritry ny andininy faha-55 ao amin’ny lalàna N°2016-029 momba ny fitsipika mifehy ny serasera amin’ny haino aman-jery (Code de la communication Médiatisée), hoy ny CJD. Araka izany dia solontenan’ny mpanao gazety ihany no hanendry izay solontenany ao anatin’io vaomiera io fa tsy olona tendren’ny minisitra. Ny samy tompon-gazety ihany koa no tokony hanendry ny solontenany. Izay voafaritry ny lalàna manan-kery ihany no tokony ho andraikitry ny minisitra ao anatin’ny fananganana io vaomiera io, dia ny manendry ny solontenany sy mamoaka ny didim-pitondrana momba izany. Nanao io fanambarana io ny mpanao gazety zokiolona mba hisorohana ny disadisa sy ny fizarazarana mety miharihary eo amin’ny firaisan’asan’ireo mpanao gazety Malagasy, ary tsy hampitondra henatra ho azy ireo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanasonia io fanambarana io moa ny filohan’ny CJD, Solo Norbert Andriamorasata. Andrasana kosa izay fanazavana sy setrin'io fanambarana io avy amin’ny minisitera hoe: hiziriziry amin’ny heviny, ka hanao kopisoroka sa hiverina amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny ? Raha tsy misy ny fiovana dia hanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana ny Biraon’ny Holafitra (OJM) anio, ka anisan’ny lahadinika ity resaka fizarana karatra maha matihanina ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.