Mety ve ny mimenomenona sy manome tsiny ary manakiana fotsiny manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ? Io no fanontaniana ifotoran’ny fikambanana Za’Gasy
izay hiaingan’izy ireo amin’ny atrikasa fikaroham-bahaolana miaraka amin’ireo solontenam-pokontany tratra antso nanomboka omaly ary hifarana anio etsy amin’ny foibeny etsy Ambanidia. Ny fisondrotry ny vidim-piainana, ny fahatapahan-jiro, ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana no mampikaikaika ny mponina eto amin’ny firenena ka ilana fifampidinihana maika amin’ny eny ifotony, raha ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Ratiharison Jean Navandahy. Eny amin’ny fokontany mantsy no tena iharany mivantana ary ny toe-tsaina mampahantra ny fiheverana ny tena ho izany no antony. Zanahary mihitsy no hampietry anao rehefa manambany ny tenanao ianao, hoy izy. Anio moa dia hisy ny fehin-kevitra avoakan’ny fikambanana miaraka amin’ireo nivory izay hiompana amin’ny anjara birikin’ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fampandrosoam-pirenena.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.