Vonona hatrany ny hanohana ny mpiara-belona ny fikambanana Vokovokomena Malagasy. Raha araka ny fanazavan’ny taleny Randriananja Claude tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia mitombo isa hatrany ireo mpilatsaka an-tsitra-po tonga manome tanana azy ireo.
Ho an’ny ady amin’ny aretina Pesta izay tena nahazo vahana teto amintsika tokoa volana vitsy lasa izay dia efa mahatratra 300 mianadahy ireo manao fanentanana momba ity aretina iray ity. Manatona eny anivon’ny tokantrano sy ny Fokontany mihitsy izy ireny manentana ny olona mba hahalala madio sy hiaro ny mpiara-belona amin’ny fihanaky ny voavalo. Toraka izany koa ny fanentanana momba ny rano fisotro madio, ny ady amin’ny aretina homamiadana, ankoatra ny fanampiana ny olona amin’ny loza voajanahary. Mahatratra 14 tapitrisa ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny fikambanana maneran-tany ka ny 450.000 amin’ireo no mpiasa mivantana. Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny fikambanana Vokovokomena sy ny Croissant rouge izy ireo omaly. Fampahafantarana ny asan’ny fikambanana tetsy Tsaralalana no nanamarihan’izy ireo izay tafiditra indrindra ao anatin’ny tanjon’i Henry Dunant izay namorona ny fikambanana mba hisian’ny fiadanana sy ny fandriampahalemana maneran-tany. Nomarihina omaly ihany koa ny tsingerin-taonan’Atoa Henry Dunant.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.