Actualités

Fikambanana « Terres en męlées » Nahazo 20 tapitrisa Ar avy amin’ny Star


  • Sabotsy 25 Febroary 2017

Fikambanana iray anisan’ny mijery akaiky izay hahafahana mampivoatra ny fiainan’ny ankizy, indrindra fa amin’ny lafiny ara-panatanjahantena ny Terres en męlées.

Tany  amin’ny Faritra Atsimo Andrefana no nisantarana izany ka ankoatra ny fampianarana ny tanora ny resaka fahasalamana dia nampianarina hiaro ny tontolo iainana sy hankafy ny  taranja ara-panatanjahantena Rugby ihany koa izy ireo. Tamin’ny taom-pianarana 2014-2015 dia tanora mpianatra eny anivon’ny kolejy miisa 10.000 no efa nahazo tombontsoa ka ny 5.700t amin’ireo dia zazavavy avokoa. Niakatra ho 25.124 ireo mpahazo tombontsoa tamin’ny taom-pianarana 2015-2016 lasa teo ka ny 19.305 tamin’ireo dia zazavavy avokoa. Mbola hitohy amin’ity taom-pianarana 2016-2017 ny asa. Tanora miisa 8.000 no ezahina hahazo tombontsoa izay tsy hijanona any amin’ny faritra atsimo andrefana intsony fa hipariaka manerana ny faritra 22 mihitsy, handimby ireo ekipan’ny Maki de Madagascar. Ny 4.000 isa amin’ireo dia zazavavy avokoa  entina hanampiana ireto farany amin’ny fanilikilihana. Anio sabotsy no hotanterahina etsy amin’ny kianja Malacam ny tournoi voalohany mifandraika amin’izany ka tanora zazalahy sy zazavavy miisa 2.000 no handray anjara amin’izany, arahin’ny fizarana mari-pahaizana sy fitaovana ho an’ireo mpampianatra EPS miisa 60 avy amin’ireo kolejy sy lycée miisa 120 mahazo tombontsoa avy  amin’ny tetikasa. Mba ho fanohanana ity tetikasa ity dia nisy ny fanoloran’ny vondrona Star vola mitentina 20 tapitrisa Ar ho an’ny fikambanana hahafahana mampivoatra ny fiainan’ireo tanora eto Madagasikara.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT