Actualités

Fikambanana TAMIA Nijery manokana ny fokontanin’Ambatomaro


  • Alarobia 28 Jona 2017

Noho ny fokontanin’Ambatomaro tsy mba misy mijery firy hatramin’izay no nahasarika ny fikambanana TAMIA hanohy ny asa soa fanaony teny amin’ity toerana ity,

  ny zoma faran’ny herinandro teo, ka nanolorany vary 2 gony ho an’ireo zokiolona teny an-toerana ho mariky ny fanajana amin’izao Asaramanitra izao ary harendrina niaraka amin’ny tenin’Andriamanitra ary vatomamy ho an’ireo kilonga teny an-toerana ihany koa mba hisitrahan-dry zareo ny fety tahaka an’ireo zanaky ny mpanao politika sy ny mpanambola. Tsy miova hatreto ny tarigetran’ny TAMIA dia ny manolotra izay tsirambin’ny tanana ho an’ny sahirana tsy misy tambiny sy miady amin’ny fitiavan-tena. Nambaran’Atoa Randrimahefa Benjamina filohany fa efa nalefa any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo misy masoivohon’ny TAMIA ny anjara fanomezana ho an’ireo sahirana any an-toerana.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT