Tao anatin’ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018 notanterahin’ny fikambanana TAMBOHOBE (TAnora MBOla HO BEazina) tarihin’ny filohany, Rabenjamina Willy tetsy Ampahibe omaly,
notronin’ireo mpikambana maro sy olona nasaina manokana no nanambaran’izy ireo fa hirotsaka an-tsehatra mivantana hiady amin’ny herisetran’ny fananan-tany ry zareo amin’ity taona 2018 ity ka hanampy ny olona eny ifotony, eny amin’ny fokontany, amin’ny alalan’ny fanomezana hevitra ny olona tsirairay hanoratra amin’ny tenany amin’izany ny tany nohajariany an-taonany ela. Tsy sanatria misalovana ny asan’ny fananan-tany (domaine) ny TAMBOHOBE, hoy ny feo heno tetsy Ampahibe. Nitsangana avy hatrany ho vonona hanohana ny hetsika ny filohan’ny fikambanana Tamia sy Zamami ary ny Ftmm. Marihina fa ity fikambanana TAMBOHOBE ity dia fikambanana nijoro tamin’ny 2012 ary manana tarigetra hiady amin’ny herisetra amin’ny endriny rehetra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.