Nitombo indray ny fanampian’ny orinasa Salone ny eny amin’ny kaominin’i Soavina Atsimondrano. Raha nivantana izany teo aloha, dia avy amin’ny fiaraha-miasan’ity orinasa ity
tamin’ny fikambanana Soamitafa (Soavina mifandray tanana amin’ny Fampandrosoana) manana mpikambana 1886 tarihan’Atoa Rakotoarisoa Rigobert indray no nahazoan-dry zareo vary 30 gony, paty 792 fonosana, kafe 780 fonosana ary sira vovony 800 fonosana. Fikambanana najoro hanampiana ireo tena sahirana ao amin’ny kaominina sady hanamafisana ny fifankatiavan’ny mpiara-monina ihany koa. Marihina fa anisan’ny kaominina hiasan’ireo orinasa isan-karazany ity eny Soavina ity izay tena miara-miasa amin-kitsim-po amin’izy ireo hatrany tahaka ny Salone tarihan’Atoa Raymond Ah-Lone tale jeneraliny. Ao ny orinasa Vitaplast, orinasa Karina. Misy koa anefa ny fikambanana avy any dilambato manampy azy ireo tahaka ny Association Korean eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.