Actualités

Fikambanana Ny Antsika Nisantatra ny asa soa teny Amborompotsy


  • Alarobia 08 Aprily 2015

Nisafidy ny alatsinain’ny Paska ny fikambanana Ny Antsika hanombohana ny asa fanasoavana ny fiarahamonina eo anivon’ny kaominina Talatamaty.

 

 Nanamarika ny tontolo andro ny fampisehoana ara-javakanto maimaimpoana niarahana tamin’ny Nambinints Orchestra, Kiaka, Ndondolah, Bob Tselonina ary Ronaldo. Nitsinjo ireo mpiara-belona ity fikambanana tsy miankina sady tsimialonjafy ity ka nizara sakafo antoandro vary masaka 250 kilao, saosisy 100 kilao ary tsaramaso 400 kapoaka ireo olona manodidina ny 2.000 tonga niara-paly teny amin’ny kianja Amborompotsy. Tsy nanadino ireo kilonga marobe teny an-toerana ihany koa ireo mpikambana efa manenika ireo fokontany 12 tamin’ny fampilalaovana «toboggan». Sokajin’ny «Ny Antsika» ho fahombiazan’ny fampiharana ny 3P na fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina sahady moa ity hetsika santatra asa soa nokarakarain’ny fikambanana ity.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT