Actualités

Fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa Mitaky ny fanesorana ny talem-paritry ny varotra ao Mahajanga


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa ny 15 martsa no nanaovan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny fanambarana fa mitaky ny fanesorana ny talem-paritry ny varotra Boeny mikasika ny tsy fandraisan’ity farany andraikitra ny asa amin’ny fanaraha-maso ny entana amidy ao an-toerana ny fikambanana.

 

 Ny raharaha fanondrotana ny vidin’ny mofo no nahatonga ny fifanolanana teo amin’ny fikambanana sy ity sampandraharaham-panjakana ity ka nanao ny tatitra ireto farany fa tokony hojerena ny momba ny fiakaran’ny vidin’ny lafarinina any amin’ny foibe. Tsy nisy nihaino anefa ny tatitra avy amin’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ka nanararaotra ireo mpivarotra mofo. Maro ireo tatitra nataon’ity fikambanana ity saingy tsy nisy hatrany ny valin-kafatra avy amin’ny talem-paritry ny varotra. Efa nihaona tamin’ny minisitry ny varotra ny filoha nasionalin’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa Rakotorova Rabetsara na Ralita nilaza ny amin’ny tokony hanoloana ity talem-paritra ao Mahajanga ity. Nanaiky ny minisitra mpiahy ary efa voalazan’ny filohan’ny fikambanana hatrany fa efa manana olona hapetraka eo amin’io toerana io izy ireo sady afaka mandray ny andraikiny ny amin’ny fanaraha-maso ny entana sy ny vidin-javatra ao an-toerana. 

                                                                                                                            Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT