Herintaona ny nanohanana ireo renim-pianakaviana sahirana sy tanora tsy an’asa tao Antsirabe ny fikambanana Miari ( Malagasy Iaraka Ivoatra), tarihin’ny filohany Rasoarimanana Julienne. Nampahafantatra voalohany ny fisian’ny fikambanana tetsy Andavamamba izy ireo omaly no sady naneho an-tsary ireo zava-bitany ihany koa
. Anisan’izany ny fanomezana fampiofanana ireo renim-pianakaviana tamin’ny fahandroan-tsakafo, ny zaitra ary ny tenona. Toraka izany koa ny fanohanana ireo tanora tsy an’asa izay nomena fiofanana manokana amin’ny fikirakirana ireo karazana milina fampiasa any amin’ny orinasa afaka haba, ny informatika ankoatra ny teny vahiny toy ny anglisy sy ny frantsay ary ny Italianina. Hatreto dia efa mahatratra 440 ireo nahazo tombontsoa tao Antsirabe raha efa mihoatra ny 700 kosa ny mpikambana. Tsiahivina moa fa fikambanana tsy miankina ny fikambanana Miari. Manatanteraka asa sosialy eny anivon’ny fiarahamonina izy no sady miahy mivantana ny reny sy ny zaza. Hiparitaka tsy ho ela manerana ny Nosy ny fikambanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.