Actualités

Fikambanana malagasy sambatra Hanampy ireo olona sahirana voan’ny diabeta


  • Sabotsy 31 Oktobra 2015

Tafiditra indrindra ao anatin’ny iray volana iadiana amin’ny aretina diabeta isika eto Madagasikara amin’ny volana novambra ho avy io. Araka ny fanadihadiana natao dia mbola maro ireo olona voan’ity aretina ity izay mitovy amin’ny salan’isa amin’ireo olona tratran’ny tosidra.

 

Ho antsika eto Madagasikara fotsiny dia  efa mahatratra 200.000 no lasibatry ny diabeta izay tsy mifidy saranga no tsy mifidy taona. Ho an’ireo izay efa tafiditra ao anatin ny fianakaviamben’ny diabetika dia betsaka ireo misedra olana amin’ny fanaraha-maso ny tahan’ny siramamy amin’ny tenany izay tsy maintsy hanatonana tobim-pitsaboana hatrany vao fantatra. Izany indrindra no nahatonga ny Fikambanana Malagasy sambatra tarihin’ny sekretera nasionaly Rajerisoa Mandimby  hikaroka fanampiana ho azy ireny amin’ny alalan’ny fizarana glucometre maimaimpoana iarahany amin’ny  appara medicale.  Ny bandelette sy ny lancettes ( fanjaitra fanindronana) 50 isa no vidian’ny mpanjifa amin’ny vidiny 99.000Ar monja dia azo ny fitaovana. Manomboka afaka rahampitso alatsinainy no hisian’izany eny amin’ny Espace Vahinah Ambatomaro, haharitra iray volana. Tanjon’ny fikambanana ny hanampiana ireo sahirana ara-pivelomana voan’ny diabeta tsy manana fahafahana hividy ity fitaovana kely iray ity izay marihina fa vidiana 159.000Ar ny iray amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany ny fahafahana mividy bandelette tsirairay amin’ny vidiny 2.000 Ar. Tsiahivina fa ny Fikambanana Malagasy Sambatra dia efa manana traikefa manokana amin’ny asa sosialy. Ampahany amin’ny ezaka efa nataony ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an’ny olona sahirana miisa 150.000 olona sahirana, ny fananganana sekoly ambaratonga fototra…

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT