Mihetsika amin’ny fikarakarana ny tanora ao amin’ny kaominina misy azy ny fikambanana Mahasoa. Hanombohana ny hetsika dia misy ny fikarakarana « Grand Tournoi Mahasoa » izay lalao baolina kitra hiadiana amboara omby mifahy ka
handraisan’ireo fokontany 20 ao amin’ity kaominina ity anjara, dia Ankadindratombo, Ambohitanety, Mahatsinjo, Ankazobe, Est Mahazoarivo, Ambohidrazaka, Mahitsy, Ampahibato, Mendrikolovana, Ambohitromby, Amboarohy, Ambohimarina, Ankadievo, Miadana, Ambodivondava, Ambatomalaza, Ambodivoanjo, Sud Ambohipo, Alasora ary Mandikanamana. Ao amin’ny kianja Ambohidrazaka no hanatanterahana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy amin’ny 1 ora hotarihan’ny filohan’ny fikambanana sy ny mpiara-miombon’antoka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.