Actualités

FIKAMBANANA MADAGASIKARA NOSY MIAVAKA Ozon-drazana no mampahantra ny Malagasy


  • Zoma 10 Febroary 2017

Ozon-drazana no mampahantra antsika Malagasy tahaka izao ho an’ny fikambanana Madagasikara Nosy Miavaka izay misy ny fivavahana Hebreo Notsrym voalaza fa fototry ny fivavahana voalohany ao anaty Baiboly.

Vokatry ny tsy fahalalan’ny Malagasy ny tantarany no antony mahatonga izany, hoy i Shalarh Rija Andriamady, filoha mpanorina ny fikambanana  ka nandavany ny fivavahan-drazany amin’ny maha Hebreo azy ary nizorany amin’ny lalan-kafa. Voaozona ny Malagasy ary tsy hahita rariny intsony amin’ilay tany nampanantenaina azy raha tsy miverina amin’i Adonai tompon’ny tany sy ny lanitra. Porofo efatra no nentin’izy ireo omaly fa taranaka Hebreo ny Malagasy. Voalohany mifora, faharoa nisy razambentsika nandalo tany Indonezia, fahatelo  ny Malagasy ilay avy any Etiopia ary fahefatra  ampitan’i Etiopia Afrika Atsinanana no misy azy ao amin’ny ranomasimbe Indiana dia i Madagasikara. Ny Malagasy no ilay fanjakana avy any Avaratra izay nivaky tamin’ny fanjakana atsimo vokatry ny fahotana nataon’i Solomona mpanjaka izay  tsy jiosy  akory fa tena Hebreo. Efa nisy ny famelabelarana natao tany Amerika nentina nanazavana izany. Firenena sivy no notetezin’izy ireo  ary samy resy lahatra fa Hebreo ny Malagasy. Hitohy eto Madagasikara izany entina hampahafantarana ny rehetra hahafahana mivoaka amin’izao krizy lavareny izao, hoy hatrany ny filoha mpanorina ny fikambanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT