Mitombo isa hatrany ireo tanora lasibatry ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo eto amintsika.
Tsy latsa-danja amin’izany ireo tanora zazavavy mitondra vohoka aloha loatra mialoha ny fotoana ka zary misedra fiainana tsy ampoizina ny ankamaroany. Noho izay antony izay indrindra no nanosika ny fikambanana Soroptimist International Africa sy ny fikambanana Lions Club Antananarivo Manjakamiadana notronin’ny PSI Madagascar hanatanteraka ilay fanentanana sy fitiliana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo teny amin’ny zaridainan’Andohalo ny sabotsy teo. Ireo tanora 14 ka hatramin’ny 24 taona no nahazo tombontsoa. Tamin’ny alalan’ny kilalao no nanaovana ny fanentanana. Izay rehetra nahavaly fanontaniana mikasika ny resaka fananahana dia nahazo fanomezana avokoa. Tanjona ny hanampiana ny tanora amin’ny resaka fananahana ankapobeny mihitsy hisorohana ny mety ho fiparitahan’ireo karazan’aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny vohoka tsy nirina. Araka ny fanadihadiana natao dia hotsaboina maimaimpoana avokoa ireo tanora hita fa lasibatr’ity aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ity arahin’ny tohana ara-moraly mba hahafahany miatrika ny fiainana indray.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.