Actualités

Fikambanana LCDM Mankalaza ny faha-10 taona nikarakarany ireo “drepanocytaires”


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Feno 10 taona amin’ity taona ity ny fikambanana hany tokana mikarakara sy mijery akaiky ireo olona mitondra ny aretina “drépanocytose” eto amintsika, izay naorin-dRtoa Jeannot Pascale tao Toamasina izay efa ahitana mpikambana 600 ankehitriny ary efa miparitaka manerana ny nosy ankehitriny.

 

 

 Ao anatin’izany fankalazana izany sy ny fankalazana ny andro eran-tany momba ireo olona mitondra ny aretina “drépanocytose” ny 19 jona izao, araka ny fanapahan’ny firenena mikambana, dia manao hetsika ho fitiliana sy fandraisana an-tanana ireo mitondra izany izy ireo. Izay indrindra no nametrahana fitaovana mitentina 25.000 euros eo anivon’ny hopitaly HJRA hahafahana mitily dieny mbola vao teraka ireo zaza ka hanamora ny fikarakarana sy fitsaboana azy, hoy Rtoa Jeannot Pascale. Raha ny tarehimarika dia ny 12%-n’ny Malagasy no mitondra azy io nefa ny ao Atsimo Atsinanana dia tafakatra 18% izany. Antony iray mampifindra azy haingana amin’ny alalan’ny “gene” dia ny lova tsy mifindra sy ny toerana be tazomoka. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo dia ny lahy sy vavy mitondra ny aretina no mamindra amin’ny zanany, satria misy ny olona mitondra azy io saingy raha ny iray amin’ny lahy sy ny vavy ihany no misy dia mitondra ny aretina ny zanany saingy tsy marary mihitsy. Ny olana amin’ny fahatsentsenan’ny lalandra noho ny lio mena miendrika “antsim-bilona” no tena olana aminy, izay mety hiteraka fahatapahan’ny lalandra. Izay no mahatonga ny olona voany mahatsiaro manaintaina sy sempotra ary hatsatra be.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT