Actualités

Fikambanana « Jeune TIM » Namaly ny antson’i Mitia kely


  • Zoma 15 Mey 2015

Tonga nidodododo tetsy amin’ny hopitaly HJRA na Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha omaly alakamisy antoandro, namaly ny antso vonjy nataon’i Mitia kely tamin’ny haino aman-jery izay mila fanampiana amin’ny fanatanterahana ny fandidiana noho ny aretina mahazo azy, ny fikambanana “Jeune TIM

 

”.  Delegasiona mafonja izay notarihan’Atoa Sebass no tonga teny an-toerana nijery imaso ny nahazo an’ity zaza ity ka nitondra ny tsirambin’ny tanana ho anjara birikin’ity fikambanana ity amin’izany fitsaboana izany. Tsy nohadinoin’izy ireo koa ny nitondra ny firariantsoa manokana avy amin’i Dada Marc Ravalomanana ho an’i Mitia kely sy ny ray aman-dreniny. Nanolotra fisaorana feno tamim-pihetseham-po ny delegasiona ny rain’i Mitia ka nanambara fa mbola ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fanaovana “Chimiotherapie” aloha no hatao amin’ity zaza amin’izao fotoana fa aorian’izay vao hatao ny fandidiana.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT