Actualités

Fikambanana Ho avin’i Tanjombato Nanome tanana ny tantsaha teny an-toerana


  • Zoma 29 Mey 2015

Nanolotra zezika 1 250kg ho an'ny tantsaha manana fahasahiranana amin’ny fambolena eny amin’ny kaominin’i Tanjombato distrikan’Atsimondrano taorian’ireny tondra-drano nihatra farany teo ireny ny fikambanana “Ho avin’i Tanjombato”

 

 tarihan’ny filohany Andry Ratsivahiny ny faran’ny herinandro teo. Zezika “Guano” nilanja 2 150 kg no nozaraina ho an’ireo fokontany 5 mandrafitra ity kaominina ity ka samy nahazo 3 kg isan-tokantrano ireo mpamboly an-jatony voakasik’izany mba ahafahan’izy ireo manohy ny fambolena ataony. Tsiahivina fa tohin’ny asa sosialy sy fanampiana efa fanaon'ity fikambanana ity hatramin'izay ho an'ny mponina eny an-toerana izao notohizany  izao. Mba mameno ny banga amin’ny voly vary foto-pivelomana izay tsy mahavita taona akory izao fanampiana ahazoan’ny tantsaha manao voly avotra ity, hoy Atoa Andry Ratsivahiny.Tsiahivina, fa samy efa nahazo fanampiana tamin'ity fikambanana "ho avin'i Tanjombato" ity avokoa ny ankizy, tanora, olon-dehibe, tantsaha ary mpanao asa tanana hatramin'izay nijoroany izay. Kely dia kely izay vita izay, hoy izy, fa ny fitiavana no lehibe indrindra mameno izany araka ny teny filamatr'izy ireo.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT