Actualités

Fikambanana haigasy Mijoro hanampy ireo mpiara-belona vonona ny hiezaka


  • Zoma 10 Aprily 2015

Dimy taona izao no nijoroan’ny fikambanana Haigasy teto amintsika, tarihin’ny filohany Andrianarivelo Faly.

Miompana amin’ny asa sosialy, kolontsaina ary fanatanjahantena ny asa tanterahin’izy ireo ka anisan’ny efa nahazo tombontsoa manokana tamin’izany ireo olona vonona ny hiezaka toy ireo mpianatra tany amin’iny kaominina Talata Volonondry iny. An-jatony izy ireo no efa nahazo tombontsoa, anisan’ireny ny fanavaozana ny efitranon-tsekoly tao amin’ny CEG, ny fampirisihina ireo mpianatra tao amin’ny kilasy fahenina, fahafito ary fahavalo hilofo fatratra izay nitarika tamin’ny fiantohan’ny fikambanana ny fitaovam-pianaran’izy ireo iray manontolo, ny fananganana klioba mpilalao baolina kitra sy basket hisorohana ireo tanora tsy hanaotao foana … Nambaran’Andrianarivelo Faly fa tsy voatery ho mpanao politika foana vao afaka mahavita zavatra eto amin’ny firenena izay mbola hanentanany ny rehetra ihany koa mba ho sahy handray andraikitra. Marihina fa mbola asa nataon’ny fikambanana ihany koa ny fikarakarana hiragasy goavana tany amin’iny faritra Talata Volonondry iny, nentina nampialana voly ny mponina sy ho fitazonana fanandratana ny kolontsaina Malagasy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT