Actualités

Fikambanana “FITIA” Tsy mazava ny loharanom-bolany


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Na dia maro aza no variana tanteraka amin’ny lafim-baovao politika dia tsy vitsy ihany koa ireo olona mandinika ny tranga hafa miseho ao anatin’ny fiainam-pirenena. Anisan’ireo manomboka manintona ny sain’ny mpanara-baovao tato ho ato ny mikasika ny fikambanana FITIA, izay tarihan-dramatoa Mialy Rajoelina.

Maro dia maro mantsy ny hetsika ara-tsosialy ho fanampiana ny olona, indrindra fa ireo vahoaka sahirana na niharam-boina ataon’ity fikambanana ity. Ny resaka voin-kava-mahatratra namonjena sy nanampiana ireo mpiray tanindrazana traboina tany amin’ny faritra atsimo atsinanana noho ny fandalovan’ny rivodoza “Hubert” moa no tena nanomboka nampalaza ity fikambanana FITIA ity, ka dia maro ireo olon-tsotra, fikambanana, orinasa, antoko politika, manampahefana tonga nanatitra ny anjara birikin’izy ireo teny amin’ny Complexe scolaire Ampefiloha, ho fanohanana ity fikambanana tarihin’ny vadin’ny filohan’ny FAT ity amin’ny asa sosialy ataony. Indray mandeha ihany anefa no nisy iny kazarana fanampiana niantsoana ny rehetra iny, fa tsy nisy mihitsy tany alohany sy taty aoriany.

Ka mipetraka ny fanontaniana ary eto hoe : avy aiza marina ny vola ampiasain’ny fikambanana FITIA, iza no mpamatsy vola azy ? Ny fikambanana tsy miankina ve, avy eto an-toerana ve sa avy any ivelany, avy amin’ny fanjakana ve, sa tahirimbola manokan’ny filohan’ny FAT mivady ? Efa tena misandrahaka amin’ny sehatra maro mantsy ny fanampiana ataon’ity fikambanana ity, ka azo antoka fa mitombo be ihany koa ny vola lany. Efa nataony ohatra ny fizarana PPN sy lamba firakotra, ny fanomezana sakafo ho an’ny sahirana ara-pivelomana, ny fanampiana ireo reny bevohoka manana fahasahiranana, ny fandraisana an-tanana ireo zaza na ankizy sahirana miditra hopitaly namila fisaboana maika, teo ihany koa ny fankasitrahana ireo ankizy nahazo naoty tsara nandritra ny fanadinana sy ny fitondrana azy ireo hiala sasatra, ary mbola narahana fanomezana isan-karazany moa izany.

Lavitry ny mangarahara anefa ny fomba fiasan’ity fikambanana ity, ary tsy mbola nisy mihitsy fanazavana hentitra sy matotra momba ny loharanom-bolany fa dia mandeha ho azy toa loharano miboiboika fotsiny izany. Tsy misy maharatsy mihitsy ny fanampiana ireo traboina, na sahirana ara-pivelomana, ary maro mihitsy aza no midera ny finiavan’ny fikambanana FITIA hanao izany, saingy rariny loatra raha mampiseho ny mangarahara amin’ny zavatra ataony ity fikambanana ity, noho izy tarihan-dramatoa vadin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izay tokony ho fitaratra amin’ny fiovana tokoa, fa tsy hamerina indray, sanatria ireo nambara fa tsy mety, nanakianana aok’izany ny mpitantana teo aloha, ny amin’ny fampifangaroana ny raharaham-panjakana sy ny fiainam-pirenena amin’ny fananan’ny tena manokana, sy ny fanararaotana ny fahasahiranan’ny olona mba hanaovana propagandy… sahady !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT