Actualités

Fikambanana Fitia : tsy mangarahara ny fidiram-bolany ?


  • Alakamisy 11 Novambra 2010


Nanodidina ny 66 tapitrisa Ariary no lany tamin’ny sakafo tamin’ny fetin’ny reny, ny ambiny tsy lany nividianana kojakoja madinika toy ny sakafo, fimailo, sy ny maro hafa ; 1 hetsy Ariary isam-bolana arotsaka amin’ny kaontin’ireo ankizy mendrika, hatramin’ny faha-18 taonany, ny fitondrana ireo ankizy miala sasatra tsy ferana intsony ; teo amin’ny 31 tapitrisa Ariary no natokana ho an’ireo ankizy 31 mendrika ireo. Tsy ny mendrika amin’ny Cepe ihany fa hatramin’ny bakalorea nahazo anjara avokoa. Avy aiza daholo no nahazoan’ny fikambanana Fitia izay noforonin’ny vadin’ny filohan’ny FAT, Mialy Rajoelina. Ny hany fitadiavam-bola mba heno sy natao an-kalamanjana izao dia ny teny Ampefiloha, tolo-tanana ho an’ireo traboinan’ny rivodoza Hubert nahazoan’ny fikambanana Fitia vola hatrany amin’ny arivo tapitrisa iraimbilanja. Hatreto dia tsy fantatra ny fihavian’ny volan’ny fikambanana, avy ao amin’ny kitapom-bolan’ny prezidansa sa kaonty manokana. Raha kaonty manokana kosa dia avy aiza. Ny mangaraharaha mandrakariva manko no notakiana teto amintsika hatramin ‘izay ary isan’ny foto-pitakian’ireo mpomba ny Tgv tamin’izany fotoana mihitsy ny hisian’ny mangaraharaha amin’ny fitantanana, indrindra fa ny ara-bola. Mari-drefy ahitana sy hamatrarana ny fahaiza-mitantana.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT