Tsy nanadino ireo mponina ao amin’ny fokontanin’Ankeniheny ao anatin’ny kaominina Tanjombato ny fikambanana fijery vaovaon’i Tanjombato amin’izao fetin’ny Asaramanitra izao
Nisy fanolorany fanampiana ho azy ireo ka miisa 300 teo ho eo ireo nahazo tombontsoa. Fotsim-bary no nozaraina tamin’izany, notarihin’ny filohany Oel Manjato. Anisan’ny nanohana akaiky ny fikambanana fijery vaovaon’i Tanjombato raha araka ny fanazavan’ny filohany ny groupe Berthin, fantatra amin’ny resaka fanatanjahantena saingy tsy mialon-jafy ihany koa amin’ny resaka sosialy entina hanampiana ny vahoaka. Manatanteraka nya njara borikiny ny fikambanana amin’ny maha-mponin’Atsimondrano azy raha araka ny fanazavan’ny filohany, hetsika tafiditra ao anatin’ny ezaka fampandrosoana imasoan’izy ireo. Ezahina hatao isan-taona moa ny hetsika raha tamin’ity taona ity dia mbola nijanona ho an’i Tanjombato ihany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.