Actualités

Fikambanana Fifanampiana Malagasy “Tsy manampy anay ny fanjakana”


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Toy ny fanaony isan-taona, isaky ny volana jona sy desambra dia nanatanteraka fizarana fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana manerana ireo Boriborintany enina eto Antananarivo tetsy amin’ny foibeny etsy Ampandrana ny fikambanana Fifanampiana Malagasy mba hahafahan’ireo mpisitraka miatrika ny fetin’ny noely sy taom-baovao finaritra.

 Fianakaviana sahirana miisa 600 no nisitraka ny fanomezana. Efa tamin’ny taona 1950 ny Fifanampiana Malagasy, hoy ny sekretera nasionaly, Rampamonjy Michel no niorina saingy hatreto dia ireo mpianatra nampitaina tato taloha lasa mila ravinahitra any ampita sy fikambanana vahiny milatsaka an-tsitrapo hatrany no tena manampy anay. Efa nandondom-baravarana tany amin’ny fanjakana fa tsy manampy ny fanjakana. 58 eo ireo biraony manerana ny renivohi-paritany eto Madagasikara ary raha tsiahivina dia niainga tamin’ny fitakiana ny famoahana ireo gadra politika tamin’ny tolon’ny 1947 sy ny fanampiana azy ireny sy ny taranany no niaingana saingy tsy mbola nojeren’ny fitondram-panjakana hatramin’izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT