Fianakaviana mihoatra ny 5.000 isa no noraisin’ny fikambanana croix rouge an-tanana sy notohanany nandritra ny rivodoza farany teo teto amintsika toy ny teto amin’ny Faritra Analamanga, Atsimo Atsinanana ary Manakara.
Vehivavy sy ankizy ny ankamaroan’izy ireo izay saika nafindra toerana avokoa toy ny hita tetsy Andohatatapenaka ary efa miaina sy mivelona any Andranofeno Atsimo amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny fananganana trano ho azy ireo dia nandray anjara tamin’ny fanomezana sakafo azy ireo koa ny fikambanana, hetsika izay niarahana tamin’ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra fa ho an’ireo ankizy madinika. Tratra ny tanjona nentina nanampiana ny mpiara-belona ho an’ity fikambanana ity. Na izany aza anefa dia nisy ihany ny lesoka nahatonga ny tondra-drano, hoy izy ireo toy ny fahasahiranana nihatra tamin’ny isam-baravarana ka nahatonga azy ireny tsy afaka nandray fepetra niatrehana izany intsony. Manatanteraka atrikasa etsy Antaninarenina izy ireo nanomboka ny alatsinainy lasa teo, entina handinihana ny paikady hiatrehany ny fotoam-pahavaratra manaraka indray.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.