Actualités

Fikambanana CR7 Mijoro ireo zanak’i Fitovinagny


  • Alarobia 07 Jolay 2010

Niseho masoandro omaly ny fikambanana «Cercle de Reflexion Fitovinagny». Tetsy amin’ny Mon Gouter Andrefanambohijanahary no nampisehoana voalohany ity fikambanana ity.

Araka ny voalaza dia ivondronan’ireo olona rehetra avy amin’iny faritra Manakara iny izany. Tsy manao politika ity fikambanana ity saingy amin’ny maha olom-pirenena ireo mpikambana ao anatiny dia afaka manao izany izy ireo.

Natao hivoy ny soatoavina Fitovinagny sady hanatanteraka asa takian’izany araka ny kolontsaina maha Malagasy kosa no tena ijoroan’ny fikambanana. Anisan’ireo niavaka tamin’ity fikambanana ity ny filazan’izy ireo fa tokony hahitsy ny hiram-pirenena malagasy. «Tsy tokony ho tany no antsoina voalohany amin’ilay hoe : Ry tanindrazanay malala ô! Fa Andriamanitra manome ny tsodrano”.

 
Anisan’ny novelabelarin’izy ireo ihany koa ny lafitsaran’ny isa Fito. Hoy indrindra izy ireo tamin’izany : «7 Vinagny, 7 Fahitana, 7 Fambara ary 7 Fanantenana». Raha tsiahivina anefa tamin’izany fotoana dia anisan’ny nanakianan’ny mpomba ny TGV mafy ny filoha Ravalomanana io isa fito io. Nolazaina mihitsy aza izy fa mpanompo sampy tamin’izany.
Izao anefa mipoitra ilay izy fa soatoavina malagasy ity isa 7 ity. Noporofoin’ireto CR7 ireto rehetra izay anaovan’izy ireo antso sahady dia hivelatra bebe kokoa ny resaka momba izany. Miantso ny zanak’iny faritra iny moa izy ireo tsy hanavahana antoko politika mba hanatevin-daharana ity fikambanana ity ka hiantso ny laharana 033 11 191 77 na 034 08 760 61.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT