Tafatsangana tao an-tanŕnan’Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra tamin’ny herinandrao lasa teo ny fikambanana “mampiray” tarihin’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Faritanin’i Fianarantsoa, ny depiote Andrianarivo Harimampianina Razakarivelo.
Faritra dimy izany hatreto no efa iasan’ity fikambanana ity ankehitriny. Tamin’ny taona 2013 no niforonany ka ny fanabeazana ny tantsaha sy ny mpanao asa tanana amin’ny fanatsarana ny asany, indrindra ny fanarahana fenitra iraisam-pirenena, hahafahana mifaninana eo amin’ny tsena mivelatra kokoa no tena nimasoany tany am-boalohany. Nilofo tamin’ny fanamboarana fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny mponina ihany koa ny fikambanana avy eo ary nanampy tamin’ny fampandriana fahalemana tany amin’ny distrika maromaro tamin’ny fanampiana ara-pitaovana ny mpitandro ny filaminana. Fampiharana mivantana ny fanapariaham-pahefana ny famaritan’ny sampana isam-paritra ny laharam-pahamehana amin’ny famolavolana tetikasa noho ny fahasamihafan’ny fitakiana ilana valiny haingana eo amin’ny asa fampandrosoana. Eto Antananarivo no misy ny foiben-toerany na dia tany Amoron’i Mania aza no nisantaran’ny fikambanana “Mampiray” ny hetsika nataony.
Ntsoavina Evatiste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.