Actualités

Fikambanana Aina Miray Fampandrosoana Mijoro hampandroso an’i Madagasikara


  • Alarobia 25 Martsa 2015

Niampy iray indray ny fikambanana vonona ny handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena eto amintsika izay tsy hianona fotsiny amin’ny fiandrasana ny fanjakana fa hampandray andraikitra ny rehetra.

 Omaly no nampahafantarana ny fisian’io fikambanana io, tarihin’ny filohany Ratsimba Ando Mireille. Olona mitovy fomba fijery amin’ny fomba hahafahana mampandroso an’i Madagasikara no mivondrona ao anatiny, ahitana artista, olon-tsotra… Hatreto dia fanampiana ireo mpiray tanindrazana niharam-boina no adidy efa nosahanina tamin’ny alalan’ny fanaovana opération tolo-tanana izay notanterahina teny amin’ireo trano fivarotana lehibe eto an-drenivohitra ny 08, 14 ary ny 15 martsa lasa teo. Tsy hijanona hatreo anefa izany fa misy ihany koa ny fanontana DVD izay misy ny hira fanevan’ny fikambanana, vokatra hamidy entina hanampiana ny mpiara-belona ankoatra ny fampisehoana goavana hotanterahin’izy ireo manomboka ny volana aprily ho avy izao. Marihina moa fa hirotsaka an-tsehatra hanabe ny olom-pirenena rehetra ihany koa ny fikambanana no sady hanoro hevitra ka anisan’izany ny fahaiza-mitantana indrindra fa ho an’ny vehivavy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT