Hetsika miavaka sy tamimpiravoravoana tokoa no nankalazan’ireo Vady miaramila manerana ny nosy ny Andro Iraisam-pirenena natokana ho an’ny Vehivavy. Tsy ambakan’izany ny an’ireo mpikambana ao amin’ny FIVAMI (Fikambanan’ny Vady Miaramila) eto amin’ny Faritra Miaramila Voalohany eto Antananarivo izay nanao rodobe nankalaza izany tany amin’ny Tobimpiaramanidina mpiady BATAC Arivonimamo ny alahady 8 martsa teo
. Toy ny isantaona, mba hanamafisana orina ny firaisankinan’izy ireo, dia hetsika iray no niarahan’ny vady miaramila avy amin’ny vondrontafika rehetra eto amin’ny faritr’Antananarivo sy ny manodidina. Taorian’ny fotoampivavahana nitrotroana ambavaka ny andron’ny 8 martsa sy nitrotroana am-bavaka manokana ireo vehivavy malagasy izay niharam-boina amin’izao fotoana izao dia niroso tamin’ny fifampiarahabana ireo vady miaramila sady nanolotra ireo mpikambana vaovaon’ny Fikambanan’ny vady miaramila na FIVAMI foibe sy nankasitraka sy nisaotra ireo nitantana teo aloha. Taorian’izay dia nanatontosa ny anjara birikiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ireo vady miaramila tamin’ny alalan’ny fambolenkazo. Mba hoentina manatevina ny toebolan’ny fikambanana dia nanao fitia tsy mba hetra ireo vehivavy vady miaramila. Taorian’ny sakafo niarahana dia samy nampiseho ny talentany teo amin’ny zavakanto maroloko ireto vehivavy vady miaramila ireto. Fiarahana manao “Zumba” kosa no nentina namarana ny fotoana teny Arivonimamo. Ny Vadin’ny lefitra Voalohan’ny Lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy no nitarika ireo vehivavy vady miaramila ireo tamin’ity hetsika natao teny amin’ny tobin’ny BATAC Arivonimamo ity.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.