Actualités

Fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana Miaro ireo mpanotra manoloana ny fandoavan-ketra


  • Alarobia 27 Mey 2015

Mandoa 2 hetsy Ar isan-taona any amin’ny sampandraharahan’ny fandoavan-ketra na ny contribution amin’izao ny olona mpanotra iray raha vao mitonona ho mpanotra.

Tokony hiditra ao anatin’ny asa ahian’ny minisiteran’ny asa sy ny  asam-panjakana mivantana  anefa izy ireny vao hakana hetra, araka ny fanazavan’Andriandrainarivo, sekretera jeneralin’ny ASTRAMA satria asa fanasoavam-bahoaka. Vao mainka mampitombo ireo mpanotra tsy ara-dalàna ihany koa ny fisian’io toe-javatra io, hoy hatrany izy satria raha vao miseho ireo mpanotra nentim-paharazana dia hakan’ny sampandraharahan’ny hetra vola. Nandritra ny fiavoriambe fanaon’izy ireo isan-taona notanterahiny tetsy Anosy no nahafantarana izany omaly. ASTRAMA izay fikambanana iray amin’ireo 14 isa misy mijoro ara-dalàna sy navondron’ny fanjakana ao anatin’ny ANTM. Nibahan-toerana nandritra izany ny fanaovan’izy ireo tatitra  tamin’ny mpikambana toy ny tolona iraisan’izy ireo amin’izao, ny ezaka haha ara-dalàna ity asa ity mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro.  Tsiahivina moa fa anisan’ny asa tena hataon’izy ireo ny fanorana, ny fampiterahana, ny didimpoitra  ankoatra ny fanatsarana ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina amin’ny ankapobeny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT