Actualités

Fikambanan’ny Mpitatitra «camion» Foana ny fanakanana ny RN2 omaly


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010


Efa tamin’ny ora farany omaly, vao tapa-kevitra ny mpitatitra “camion” mivondrona ao anaty fikambanan’ny mpitatitra fa hanajanona ny fanakanana ny lalam-pirenena faha-02 (RN2). Ny antony, araka ny fanazavana azo dia “niverina ny asan’ny MICTSL izay hakana ny entan’ireo tompony, ka tsy misy tokony hanaovana hetsika intsony hanakorontanana ny fifamoivoizana sy ny filaminana”. Araka ny fanazavan’ireo mpitatitra mantsy dia mandany vola 120.000 ariary isan’andro izy ireo, eo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara hiala amin’ireo mpangalatra solika sy fitaovan’ny fiara, eo koa ny sakafo sy trano ho an’ireo mpamily ary ny kojakoja samy hafa. Manginy fotsiny ny fatiantoky ny tompon’entana izay manodidina ny 1.600.000 ariary isaky ny fiara vaventy iray. Eo amin’ny tataon-ketra kosa dia misy ny fifanarahana teo amin’ny MICTSL sy ny mpandraharaha ary ny mpitatitra, fa “tsy tratran’izany izay nahaloa vola taloha sy tao anatin’ny fitokonana, saingy tsy maintsy mampiseho porofo ny tompon’entana sy ny mpitatitra mba hialana amin’ny mpisandoka”. Nilamina ny famoahana sy fampidirana ny entana omaly na nitarazoka noho ny fandaminana aza ny MICTSL. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT