Actualités

Fikambanan’ny Lahy samy lahy mifankatia 800 no isan’ny mpikambana


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Efa tafakatra 800 isa ankehitriny, mivondrona anatina fikambanana miisa 14 ireo olona mitovy taovam-pananahana miaraka sy mifankatia eto amintsika, raha araka ny fanadihadiana natao.

 

 Lahy sy lahy ny ankamaroan’izy ireo, tarihin-dRasoanaivo Balou filohan’ny fikambanana Solidarité  des MSM.  Mety tsy voasakana intsony  araka izany ny fisian’izy ireny miara-mirihariha eny anivon’ny fiarahamonina eny. Teny filamatr’izy ireo  rahateo ny manao hoe : « safidiko sy zoko ny manao izay tiako » raha araka ny fanazavan-dRasoanaivo  Balou hatrany. Na izany aza anefa dia tsy manao izay mahamety azy fotsiny  izy ireo, fa miezaka miady amin’ny aretina SIDA. Anisan’ireny ny fitondrana matetika ireo mpikambana manao fitiliana eny anivon’ny tobim-pitsaboana, toy ny nitranga teny amin’ny CSB II Ambohitsoa, ny talata lasa teo. Niarahany tamin’ireo mpitsabo eo anivon’ny « Aide et soin aux malades » etsy Befelatanana izany, ho fitandroana ny fahasalaman’izy ireo. Nomarihin’i Balou Rasoanaivo moa fa tsy ny fiarahan’ny olon-droa  mitovy taovam-pananahana ihany no miteraka aretina, fa na ny lahy sy ny vavy miaraka aza dia lasibatra ihany koa.  Nomarihiny ihany koa fa efa mahasahy mifampitantana eny an-dalana izy ireo, saingy tsy mbola nomen’ny fanjakana alalana raha eo ihany koa ny fitiavany te-handeha lavidavitra kokoa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT