Actualités

Fikambanan’ny ambany tanŕna Nanafatra ny filoha hanadio ny mpiara-miasa aminy


  • Talata 02 Jona 2015

Manao antso avo aminao izahay Atoa filoham-pirenena, hoy ireo fikambanana avy eny ambany tanŕna nahitana ny Voarabe, ny Aftpm, ny Afpma, ny Fvmt ary ny fikambanana Antsiva, izay namory mpanao gazety teny amin’ny foibe toeran’ny Voarabe teny

 

 Anosibe omaly alatsinainy 2 jona tolakandro, ny amin’ny tokony hanadiovanao ireo mpiara-miasa aminao fa tena misy ireo tsy mendrika ny fahefanao ny zavatra ataony sy ny fahaiza-manaony. Nambaran’Atoa Rasambozafy Cyrille filohan’ny fikambanana Voarabe fa  tsy momba ny atsy sy aroa ry zareo amin’ny disadisa misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Samy efa nanao ny tsy nety teto amin’ny firenena daholo ireo, hoy izy, ka samy azo lazaina efa nandika ny lalàmpanorenana avokoa. Efa tena leo krizy ny vahoaka, hoy izy, ka tsy te hamboly krizy hafa intsony izay mety hamerinantsika anaty lavaka mangitsokitsoka indray. Ireny nafitsoky ny loza voajanahary nanjo ny firenena sarotra hazavaina ireny aza efa tsy hita izay nanaovana azy. Manao antso avo koa izahay eto ambany tanàna  Atoa filoha ny hananganana ny CNR hotarihan’i Pr Zafy Albert  fa izy no efa niady fo tamin’io resaka io hatramin’izay ary efa  azo lazaina fa tena manana traikefa tokoa ny amin’izany. Aminay, hoy Atoa Rasambozafy Cyrille, dia tsy misy afa-tsy ny fifanatonana sy fifampiresahana eo amin’ny samy mpifanandrina no hamaha izao disadisa miseholany eto amintsika izao.

Miaro

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT