Actualités

Fikambanan’ireo Very Asa Famerenana ireo asa very no mahamaika


  • Zoma 11 Janoary 2013

“Raha olona tena tia firenena ianao, ianao izay namotika ny orinasanay, nanao fanonganam-panjakana ka nahatonga ny AGOA nifarana ka nahaverezana asa ana hetsiny dia tokony ho ny asa nopotehinao no laharam-pahamehana voalohany”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ireo Very Asa, Rakotonanahary Jean Didier.

 Tsy miteny izahay hoe ratsy ny kianja na hopitaly na lalana manara-penitra saingy efa tena mahamay ny zavatra manjo anay very asa, hoy ihany izy nanohy. Nohamafisin’ity mpitarika ity fa rehefa tsy vita tao anatin’izay efa-taona izay dia avelao i Marc Ravalomanana hiverina fa izy ihany no mahay manangana orinasa hahazoanay asa, hoy ihany Rakotonanahary. “Ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana no vahaolana akaiky indrindra”, hoy izy nanamafy.

Ankoatra izay dia nohamafisin-dRtoa Ratsimbazafy Lantoniaina fa anisan’ny zavatra mampalahelo vokatry ny fahaverezan’ny asa ny olana ara-tsosialy goavana be atrehin’ny isam-pianakaviana toy ny ray lasa mivarilavo, ny reny lasa mpivarotena, ny ankizy tsy afaka mianatra intsony ka zary lasa mitombo ireo zaza tsy ampy taona miroso amin’ny asa sy mivarotena ihany koa. Manginy fotsiny ny varotra amoron-dalana izay nitombo be satria tsy an’asa ny maro an’isa kanefa mbola raofin’ny Kaominina, hoy izy. Manoloana izany dia nanambara ny fikambanan’ny very asa fa tokony hotokanana ihany koa amin’izao ny “fahantrana sy ny fasana manara-penitra” iainan’ny sarambabem-bahoaka.

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT