Nivoaka tamin’ny fahanginany taorian’ny fandinihan’izy ireo ny toe-draharaha ara-politika misy eto amin’ny firenena, noho ny fifanolanana misy eo amin’ny Hvm an-daniny sy ireo depiote mpanohitra mivondrona ao amin’ny depioten’ny fanovana an-kilany, ny fikambanamben’ny zanak’Atsimo Atsinanana na “AGSE” ny zoma antoandro tao amin’ny foiben’ny fikambanan’izy ireo.
Nambaran’izy ireo fa tsy azo ekena ny fandrobana noho ny resaka politika mety hahazo ireo zanany ao Toamasina sy manerana ny nosy. Manao antso ho an’ireo tsy mitovy hevitra ara-politika koa izy ireo ny hijery ny tombontsoam-bahoaka amin’ny fitadiavana vahaolana ao anatin’ny fifampiresahana. Miantso ireo raiamandreny am-panahy sy ireo raiamandreny ara-drazana misy ny sojabe sy ny ampanjaka ary ireo tangalamena, handray an-tanana ny fandaminana izao raharaha misy izao satria “ny toerana misy olobe tsy miady zaza”. Nomarihin’izy ireto koa fa tsy azo ekena intsony ny mety hisian’ny fifamonoana amin’ny samy Malagasy sy ny mpanao politika noho ny hevitra tsy mitovy. Ankoatra izay, mametraka ny fahatokisany amin’ny maha samy Malagasy ny fikambanana AGSE Toamasina mba tsy ho tratran’ny fifampiadiana sy ny fifampihantsiana misy ka hitandrina mandrakariva ny soatoavin’ny fihavanana ao anatin’ny fahasamihafana sy amin’ny hevitra politikan’ny tsirairay.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.