Actualités

Fihinana sakafo tsy zarizary Mora mankarary, mampihena ny fitadidiana


  • Zoma 23 Febroary 2018

Iray amin’ny olona 50 isa sisa amin’izao raha betsaka no afaka manao tahirin-tsakafo any an-tokantranony.

 

 Ny ankoatra izay dia miaina amin’izay hitany sy azony isan’andro eny ka rehefa mba mahita tsaratsara vao mihinana henakely na manao vary maina. Noho ny fidangan’ireo vidin’entana eny an-tsena no voalaza fa antony mahatonga izany. Anisan’ireny ny hena, ny  legioma, ny vary zana-tany, ny savony izay tena mampikolay ny rehetra tokoa ny vidiny. Voatery mihinana sakafo tsy zarizary araka izany ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina etsy amin’ny Clinique Fidy Ambatomainty anefa dia  mora handairan’aretina ny olona misakafo tsy zarizary. Manampy betsaka amin’ny ady amin’ny aretina mantsy ny fihinanana ireo karazan-tsakafo be otrik’aina maro isan-tsokajiny isan’andro. Anisan’ny mety hahazo azy ireny ohatra ny aretin’ny homamiadana. Miaro  ny olombelona amin’ity karazan’aretina iray mantsy ny fihinana ny karazana zava-maitso toy ny legioma sy voankazo. Eo amin’ny saina indray dia nomarihin’ny dokotera Fidy fa mety hampihena ny fitadidiana ny fihinanana sakafo tsy zarizary isan’andro.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT