Actualités

Fihetsiketsehana 26 jona Nirodana ilay tsangambaton’ny faha-50 taona


  • Alakamisy 24 Jona 2010


Fambara loza sa fifandrifian-javatra ! Omaly no tokony ho notokanana ny tsangambaton’ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena etsy Anosy, manoloana ny Lapan’ny Antenimierandoholona ary toeram-piasana sady fivorian’ny mpikambana amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Nirodana anefa ilay izy. Efa nanomana fety be mihitsy ny FAT ary toa ny filohany mihitsy aza no saika hitarika izany lanonambe izany omaly kanefa dia izao tratry ny tsy nampoizina izao.

Araka ny fantatra anefa dia efa vita soratra mihitsy ilay izy hoe : «Tsangambato faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Notokanan’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina ny 23 jona 2010 ». Sao mba efa fambara loza ary ity firodanana ity amin’izay vola an-tapitrisany maro (ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana ?) no lany nanaovana ilay tsangambato.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT