Actualités

Fihazana an-dRemenabila Nomena herinandro ry Lylison ?


  • Zoma 21 Septambra 2012

Misy dikany matoa nampiantso manokana ireo tompon'andraikitry ny tafika sy ny zandarimaria ary ny polisy i Andry Rajoelina ny alarobia teo.

 Voaantso teny Ambohitsorohitra izy ireo mba halaina am-bavany momba ny fizotry ny hetsika tany atsimo sy mba hamelabelatra ny paikady hahazoana vokatra azo tsapain-tanana. Natoky ny kolonely Lylison sy ny ekipany i Andry Rajoelina raha nametraka azy ireo tany Betroka, saingy folo andro aty aoriana, tsy voasambotr'izy ireo Remenabila. Ny nahatsikaiky aza dia ny fandrenesana fa mbola nahita fotoana nanaovana sarin'ady maraina antoandro hariva ihany ireto komando nalefa any Betroka ireto.

Azo antoka fa mahazo vaovao ara-potoana ny amin'ny fizotry ny raharaha any an-toerana ny filohan'ny tetezamita satria dia manana iraka manokana any ny haino aman-jery Viva. Koa rehefa tsy hita izay tena zava-bitan-dry kômandô dia tsy maintsy nandon-databatra ihany ny ao Ambohitsorohitra ka nanindry bokotra an-dry be galona mba hanaitaitra ny miaramila any Betroka any. Omaly moa dia nambara indray fa efa fantatra ny toerana misy an-dRemenabila. Raha izay tokoa ny marina dia tokony horaiketina amin'izay ny fanafihana dia samborina ity lehibena dahalo ity, sy izay rehetra miara-dia aminy. Lasa any New York moa ny filohan'ny tetezamita, koa mety herinandro eo izy no tsy eto an-toerana. Araka ny tsiliantsofina re dia io herinandro io koa ny fe-potoana nomeny ireo tafika nalefa any Betroka mba hahavita asa mivaingana amin'ity ady amin'ny dahalo ity. Koa raha tafaverina eto izy, ka tsy misy ny asa mivaingana dia mety tsy maintsy hisy indray ny fepetra horaisina. 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT