Araka ny loharanom-baovao dia fantatra ankehitriny fa tsy ho eny amin’ilay fihaonan’ny mpanao politika eny Vontovorona i Andry Rajoelina. Misisika mafy amin’ny fampiharana ilay fifanarahana teny Ivato mantsy ny mpiara-dia amin’ity filohan’ny FAT ity ka sarotra ho azy ny handingana ireo. Ny CNOSC na ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena no mikarakara ity fampihaonana ity izay nomen’i Frantsa, Norvezy, Soisa ary ny Vondrona eoropeanina vola. Misy ny eritreritra hanaovana ny atrikasa nasionaly amin’ny faha-13 septambra ka ny CNOSC ihany no mikarakara izany. Teo indrindra no mipetraka ny olana ho an’ny filohan’ny FAT satria te hisisika hanao samirery ny kaonferansa nasionaly amin’ny faran’ny volana ny tenany sy ny TGV ary ireo mpiara-dia aminy. Na eo aza ny vondrona iraisam-pirenena izay manaiky ny dingana ataon’ny CNOSC dia manao volo manoha randrana hatrany ny FAT tahaka ny efa fanaony hatramin’izay. Manaiky manao sonia kanefa lavina izany aty aoriana. Tsapan’ny maro ihany koa fa manana finiavana hampikatso ny dinika ahitam-bahaolana mihitsy ny FAT satria raha tsy misy izany dia mbola mitatra ny tetezamita ka izy ireo ihany no manao izay danin’ny kibony. Ny firenena potika, ny vahoaka mijaly, ny fanafihana mitondra kalachnikov izay basin’ny mpitandro ny filaminana mitombo etsy sy eroa.... Ho hita eo indray moa izay hitranga eny Vontovorona anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.