Actualités

Fihaonamben’ny Agoa 2015 Niresaka ny tsy fahampian’ny angovo eto Afrika


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Anisan’ireo lohahevitra fito noresahana nandritra ny fihaonamben’ny «African Growth Opportunities Act» ny 24 hatramin’ny 27 aogositra 2015 tao Libreville ny momba ny tsy fahampian’ny angovo eto Afrika.

 

Mifanaraka tsara amin’ny zava-misy tokoa ny safidin’ny governemanta amerikanina sy ireo firenena 40 mpandray anjara niantefa tamin’ny sehatry ny famokarana herinaratra. Raharaha iray lehibe mbola mitana ny sain’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao ny fifanolanana misy eo amin’ny mpitantana miaraka amin’ny fanjakana sy ireo farimbon-tsendikaly ivondronan’ny mpiasan’ny Jiro sy Rano Malagasy. Olana goavana sedrain’ny mpanjifa herinaratra eto Madagasikara rahateo amin’izao fotoana izao ny fisian’ny delestazy tsy misy farany izay heverina ihany koa fa tranga miseho any amin’ireo firenena afrikanina hafa. Fotoana nanaovana jery todika ny 15 taona voalohan’ny fiaraha-miombon’antoka narahina adihevitra mikasika ny vina iombonana amin’ny ho avin’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny Etazonia sy i Afrika ity foara Agoa 2015 ity. Nisolotena ny fitondram-panjakana Malagasy moa ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana Rabesahala Henri.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT