Actualités

Fihaonambem-pirenen’ny FAT Tsipahin’ireo vondron’ireo fiarahamonim-pirenena OSC


  • Alakamisy 10 Jona 2010

Fikaroham-bahaolana iraisana, tenierana ary handraisan’ny rehetra anjara ihany no hany lalana hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy lalina izao, ho an’ny vondron’ireo fiarahamonim-pirenena na ny OSC.

 

Samy tsy nisy vokatra mazava ireo hetsika maromaro nataon’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) toy ny fihaonam-paritra ny 30 jona ka hatramin’ny 3 jolay 2009, ny Teny ifampierana ny volana martsa 2010 izay niantsoan’ny FAT ny hery velona teto amin’ny firenena ary vao tsy ela dia nikasa hanao fihaonambem-pirenena indray izy ireo kanefa dia lalan’olon-tokana daholo ihany izany rehetra izany ary tsy nahitam-bokany mivaingana mandrak’androany. Ho an’ny OSC dia tokony hisy tatitra mazava momba ny resa-bolan’ireo hetsika natao ireo, mba ho mariky ny fahaiza-mitantana. Eo amin’ny fomba fikarakarana ilay dinika santatra sy fihaonambem-pirenena nokasaina hatao dia heverin’ny OSC fa tsy ao anatin’ny tapa-bolana na roatokom-bolana no ahafahana manomana fihaonambe raha tsy hoe efa voafaritra sy efa voaomana avokoa ny zavatra tokony hotapahana. Mila mandray anjara avokoa ny hery velona rehetra, tsy amin’ny isa no hamaritana azy fa voasolo tena avokoa ireo sokajy rehetra. Ankoatra izay, ambaran’ny OSC fa ny  « Raiamandreny» dia sokajin’olona tsy azo iadian-kevitra ny momba azy. Ny fahaleovantena tanteraka fa tsy fiankinan-doha amin’ny fitondrana misy, na koa ireo ankolafy dia fepetra tsy azo hihodivirana mba ho antoka amin’ny tsy fitanilana mandritra ny dinika. Araka izany, dia goavana ny fiavian’ny famatsiam-bola.
 
Tokony hisy fifanaraham-pirenena mivoaka avy eo, ka hosoniavin’ireo mpanapa-kevitra izay azo hampiharina avy hatrany. Tokony ho fantatra mialoha ny fotoana ihany koa izay lahadinika rehetra sy ny fomba hiasana ahafahan’ny tsirairay miomana. Mialoha ny zavatra rehetra dia tokony ho hita taratra eto amin’ny tany sy ny fanjakana, hoy ny OSC ny fahatoniana sy ny Fihavanana. Midika izany fa mila antoka ny fandriampahalemana sy ny ain’ireo mpandray anjara rehetra. Fanontaniana maro moa no apetraky ny OSC raha toa ka voahaja izany, ny tanjon’ny dinika terena tsy maintsy vitaina mialoha ny 26 jona. Inona koa, hoy ireto sokajina fiarahamonim-pirenena ireto no hahasamihafa io fihaonambe io raha mihoatra amin’ireo efa natao hatramin’izany, ny fomba fisafidianana ireo mpandray anjara, ny antoka fa hampiharina izay tapaka avy eo, ny resaka famatsiam-bola. Raha toa ka tsy hamerina ny filaminana, izany hoe tenierana, ny hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena, hametrahana koa ny fototra ara-demokratika sy ireo rafitra rehetra mifanaraka amin’izany, ny famerenana ny ara-dalàna handraisan’ny rehetra anjara. Raha toa tsy ireo no ho vokatra azo dia handiso fanantenana ny vahoaka ary dia ho very maina ireo fahoriana niaretana sy ny aina nalatsaka rehetra.  
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT