Actualités

Fihantsian’ny FAT Namaly ny dokotera !


  • Alarobia 01 Desambra 2010


Tsy azo hampiharina ny “réquisitoire” raha tsy amin’ny tranga telo ihany dia ny fiparitahan’ny areti-mandoza, ny fisian’ny loza voajanahary ary koa ny fisian’ny ady. “Tsy mbola misy mitranga anefa aloha na ny iray amin’ireo teboka ireo ary amin’izao fotoana izao ka dia holavinay ny fanasoniavana ny taratasy natao hosoniavinay”, araka ny fanahapahan-kevitra vaovao noraisin’ny mpitsabo manoloana ny faneren’ny ministera azy ireo. Dikan’izany dia mbola hitohy indray ny fihantsiana eo anivon’ny ministera tompon’andraikitra sy ny mpitsabo. Raha araka ny fantatra rahateo dia tsy eken’ny mpitsabo ny famindrana toerana azy ireo avy amin’ny alalan’ny “note de service” fotsiny ihany. Raha ny heno aza dia efa misy ny fanangonana antontan-taratasy ataon’ny mpitsabo amin’izao fotoana izao. Ny handefasana an’izany kosa dia mbola notanan’ireo ho tsiambaratelo. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT